Inty mitady anao (Le Myosotis)

Lu par Ny Radontsoa Mamiratra
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola inty mitady anao eny an-dalam-pahantrana
sy eny an-tsisin-dranomaso sy eny amorona nombàna
ilay notiavinao fahiny, ‘lay malalanao ihany,
nefa tojo rendrarendra ary randram-bao nandalo,
ka nirosoroso foana eny an-dalam-pahavalo
feno latsa sy tomany.

Mbola injao mamelovelo eto an’eritro fihinina
‘lay indray mamaton’alina, ‘lay harivam-bolantsinana;
mbola injao manonjanonja ilay angolako fahiny
fony isika niombon-day, fony isika nilalao
teny an’alina mangina feno tononkalo vao
ary antsam-pivahiny.

Toa manotohoto loatra ity endriko mahory,
‘zato embona aman-tsiahy ‘zay to’ tsy miantra akory;
mbola injao mitanjozotra ‘zato alahelo anao,
ary ny hanina ao anaty dia indrisy ka indrisy !
Fa manongotsongo loatra ity foko ‘zay tsy misy
mba mangoraka akory.

Mbola injao mamolivoly sy mamerina ako loatra
ato am-poko malahelo ‘rony kalo tetsy ankoatran’
itsy tendro malomaloka, sady toa dia malahelo
‘rony hitsa-tongotrao ‘zay nataony tsilalao,
fony isika nomba teny, fony izaho nitady anao
tamin’ny oram-belovelo.

Manantena sady miandry ‘rony endrikao hatrany
ity masoko mahatram-pisentoana sy tomany,
‘zay toa malahelo loatra itsy lala-niarahana
tamin’ilay harivarivam-bolantsina-mamanala.
… Ilay maditranao no miantso ka faingana, ry malala
mivimbina fangorahana.

LE MYOSOTIS
Takelaka Notsongaina p.40
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo - Fitiavana
206 1
Fans: Djess
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Le Myosotis
Inséré par : ravelonarivomirado2001
Date : 27/11/2023 07:40
Lectures
Lu par Ny Radontsoa Mamiratra
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137