MODY FANINA (manjatiana)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tena tsy tsapanao tokoa angamba?
Ny havesatrin'ny fijaliko
Nisakambina teo an-tsoriko
Zary naharovitra ny ravin-damba
'Ka nampibaribary tsy satry
Ny fo vonton'alahelo tsy hay nampiononona

Eny,tsy nahalena anao akory!
Ny rà izay nijika toy ny loharano,
Niboika avy ao ampon'ilay feno tebiteby
Ka nahatsapan ny tena hirifiry,
Hirifiry ririnina nampangatsiaka
'lay hafanam-pitiavana saika nandoro

Dia tsy norenesinao mihintsy!
--------
Lien:
Catégorie : Fiononana - Alahelo - Fitiavana
961 1
Fans: vintana
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : manjatiana
Inséré par : vintana
Date : 04/01/2012 18:43
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0202