Hiran'iza ( farany) (Massnatany)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
...
Izy hoy ianao no tompon-toerana sy teo taloha
Ka tsy hitanao intsony ity no hatao, 'zaho miha-tianao kokoa
Dia mibahan-toerana lehibe, "dizina" hananika hatrany amin'ny sainao
Toa ny afo miredareda tonga handoro ny efa nokasainao
Tany aloha tany ...
Ka ahoana no hamaliako an'izany, fa tsy haiko,
Saiko tsy hobaikon'ny foko efa hatrany am-piandohany
Lasa novesarinao le kifa, ianao no mizara karatra
F'angaha tsy hanala azy ee?? ...Ny hevintsika avaratra
Sy atsimo !
Aleonao hoy ianao hajanona, hilamina,
Tsy hifankahita intsony aloha isika dieny izao mbola tsy lasa lalina
Ny tantara,
Hizatra ianao tsy hamaly, tsy ho tonga rehefa ho afarako,
Hiezaka mafy hanadino hatramin'ny anarako !
Tompon-toerana any angamba miteny rery, efa manantena
Ny hiverenanao amin'ny lalan'ny fahendrena ...
Hoe : hiala menarana ratsy mpanolotra paoma efa norarana
Fa manana ilay traikefan'ny fifaliana sy ny hafanana ! (zzzama!)

Ka ny hiran'iza no tianao hokaloina ...
Ka ny hiran'iza no tianao hovetsoina ???

Mbola betsaka ilay hafanana sy ny aingam-panahy hozaraiko aminao,
Tongava aty f'aza mihevitra ny handa ny hahazo fifaliana tsy omby tratra
Hahita fahafaham-po tena mihoatra ireo fanao ela nahazatra !
Ny entanao ity mila ahy foana, tsy mahafoy ahy, tsy mahay mba miandry tantana
Aza dia fefena loatra akia 'zay mba filan'ny vatana !!
Avelao izy hamoaka izay faniriany, 'zaho eto hanome raha mitady
F'ho tsara kokoa ny fitiavana rehefa tsy hisy fady !

Mba manana ambom-po koa 'nie ny kofboay, mahalala tsy tiana !
Raha ny fanirianao ahy no betsaka, maninona aho no hariana??
Ataovy vady ainterimera,
Raha te hampiasa "gaz" ianao aty, tsy foinao koa ilay fatapera ...
Aza mieritreritra lavitra sao marary an-doha
Mba ny antson'ny natiora indray henoina fa tsy ny an'ny fo!!!

Ka ...

Ka ny hirahiran'iza ...no tianao hovetsoiko...?
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1296 0
Hevitra mandeha
arialy ( 05/01/2011 16:03)
an han !! hiran'iza no tiany hoventsoinao zamààààà lol
Massnatany ( 05/01/2011 18:22)
>> dia ny hirahiraaaaako hirao! raha mahatsiarotsiaro ianao! ... mdr
hery ( 25/06/2011 18:15)
Milay ilay mihaino azy an-kira. Ho an'izay mbola tsy naheno dia ao amin'ny http://soundcloud.com/massnatany/hiraneez-feat-alliyah
kiriah ( 24/10/2011 10:31)
ary enao angamba savla be teo ampanoratana an io ainga io an ! , kozy kosa ranga ra tsy hoe tena milay , tsy manin fa tratrako any e!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Massnatany
Nampiditra : Massnatany
Daty : 05/01/2011 12:12
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0851