Miala tsiny ... (Massnatany)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
...

Ialàn-tsiny!
Tsy fanahy iniako raha nandona an’là zà, ‘zà koa ‘ty dominy (lol),
Pokona mifanesika tsy hifankahitàna, tsy doma à ‘kory
F’aza mikôzy an’zany ‘zama a!
Mb’efa niala satroka aho teo,
Renareo! sa ‘là koa efa hanao filàna vanony,
Aza asiana herisetra, aok’hilamina
Sao ise ‘ndray no lasa hifona afa-baraka eo hihinan#%µ£!§
Ento mody ny ankizy ...
Dé manaova enti-mody!
Am'sisa aza adino ny sandry rehefa hivoaka ny trano 'tony
Dé mbo mijereva koa lalana ...

... ...

Tsy haiko aloha ‘zay fiainan’là any,
F'ny ahy ‘zao no hitako!
Nokorontanin’là, notadiavin’là potehina sy nangalarina
Amin’ny ora tsy ahatsiarovanay tena!
Hialànay sasatra, vizaky ny asa isan’andro,
Hampidi-bola, ahazoana zavatra ...
Koa valin-kasasarako ve ho ekeko alain’là ??
Sa ny ainay mianakavy atao sorona raha manakana
Ts’aleoko ny an’là no alaina !?
ialahy 'zao no ato an-tranoko, tsy havako, tsy akamako ary tsy nantsoiko,
namaky ny varavarako niditra an-tsokosoko,
ka miala tsiny...

... ... ...

Ialàn-tsiny e!
Mba sendra niantso aho f’efa manina anao,
Dé hoe: ianao koa manina ahy...??
Ka tokony ho faly aho ve fa samy manina?
Kanefa ‘zà no fanina ...
F’ity ‘zà miantso anao ‘ty ‘nge ka mahita anareo 'reo ...
Eo an-tratran’olona eo ve ‘nao hahatadidy ahy ‘ntsony?
Mbola sahy mavandy ihany!!
Tratra ambodiomby ts’isy ialàna oo, tsara safo ambony hatrany ambany!
...
Avy lavitra aho mahatazana an’lay fahoriako,
Hariako fa marikoriko ‘lay toetra
Hasiako fitsaharany eto ka ialàn-tsiny...
--------
Rohy:
Sokajy : fiainana
1501 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Massnatany
Nampiditra : Massnatany
Daty : 06/01/2011 07:07
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014