ANKAHEREZIKO (Mbiou)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sahiko ny mivoady
Fa raha amin'ny hoavy
Dia vao maika hiharatsy
Ny fiainantsika Malagasy.

Tsy hoe maniry loza
Na koa vonona tsy hiova,
Fa raha izao zava-misy izao
Dia efa loza mitatao.
Halaviro ny hotafarina
Fa vao maika hady lalina
No hilatsahantsika
Ka nofinofy no hotafita.

Raha io lalàna io.
Dia izao koa no tadidio:
Raha io no ampiharina,
Tena ho nofy ny hotafarina.
Satria natao ilay lalàna:
Mba hahazoana fitondrana.
Ny tombontsoany no nojerena
Fa tsy ny an'ny firenena.

Ny nomena fahefana?
Tsy mba ireo manam-pahalalàna.
Fa ireo mpandany ny " Eny ",
Ireo TSY sahy miteny.
Sy ireo tekinisianina;
Ka ho ela isika vao tafarina.
Satria tsy fantatr'ireo akory
Ny ambany sy ny ambony.
Tsy handeha amin'ny laoniny
Izay rehetra mba hataony.

Saritsarim-pitondrana
Saritsarim-pahefana
Ireo rehetra hitantsika
Nofinofy ny hotafita.

Ary anjakan'ny kolikoly
Avo lenta sady ambony
Ireo olom-pitondrana,
Ireo vazaha: sinoa, sy karana.

Anefa, ireo vahoaka madinika
Gejaina sady ahilika.
Vidiana ambongadiny
Simbaina izay mba hoaviny.
Nozinara vary, ihany koa vola,
Ny sasany kosa nahazo ramatahora.
Fa vao miteny eo ialahy
Dia: Antanimora - Tsiafahy.

Eny hoy aho:

Raha io fitantanana io
Izao no tadidio:
Miteny ny moana
Raha hisy fandrosoana
Satria tsy mba tombontsoam-pirenena
No imasoana sy jerena,
Rendrarendra sy haitraitra
Izay no mahamaika.
Izay hahatonga ingahy Ndriana
No voaloham-pitakiana.

Raha ny rafitra misy
Dia mampiantso hoe: INDRISY.
Tsy hotafita isika
Fa toa kajikakim-politika;
Ary zavatra efa maty paika
No anomezana andraikitra
Sy karazam-pahefana
Ka zary ho fandatsana.

Fandatsana satria nahoana?
Satria dia nataotao foana
Tsy nisy dinika sy lamina
Fa fahefana no amparina.

Eeeh,

Raha izao zava-misy izao
Dia ankahereziko ianao
Aleo tsara fahavononana,
Fa hitrongy isika vao ho homana.
Io vidim-pianana io manko
Dia hiakatra tsy an-kiato.
Dia hifanome tsiny isika,
Ilay nihevitra ho tafita.

Fa iza anefa no diso
Tsy nibanjina ny ampitso?
Ny mpitondra sa ianao,
Sa ve izao tontolo izao?

Dia ny fanatontoloana
Nampiana habadoana.
Ilay nandray antendrony
Tsy nanakatra ny heviny.

Dia tena ho ela marina
Isika vao ho tafarina.
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
12 1
Fans: Mbiou
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Mbiou
Inséré par : Mbiou
Date : 29/04/2026 12:33
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0125