INOKO FA (minoma)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Inoko fa ho avy ny maraina
ka ho foana avokoa ireo taraina
Inoko fa hisy ny farany
ary ho tapitra hatreo ny tantarany
Inoko fa tsy misy tsy diso
na omaly na anio na rampitso
inoko fa fandalovana ny tany
ao ny fifaliana ao ny tomany
Inoko fa ra mbola misy ny maraina
tsy maintsy ho foana ny taraina
Inoko fa ny fitia dia misy
sarotra adinoina indrisy!
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana - Fitiavana
909 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : minoma
Inséré par : minoma
Date : 07/05/2010 10:48
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0137