NY AKON'NY LASA (Miothyfifaliana)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
soa ny lasa hatao fitadidy
sy ho vokarina hanitsiana ny dia
atao tsara kajy fa raki-tsarobidy
ho enti-misoroka raha sendra mania

tsaroana foana ny rakitry ny lasa
na navalon'ny taona ela maro be
raha misy misongotra ka te hikasa
dia io no mbanjinina vao afa mande(ha)

ary ilay mikitika ny ratra tsy maina
mandona ny fery tsy sitrana ela
raha mipaka ao am-po dia mampitaraina
ny akon'ny lasa, e! no sisa tavela

mampitondra tebiteby sy fanahian-dava
mampitroatra ny fo raha sendra tafahoatra
tsy mora hadino ary sarotra ho rava
ny akon'ny lasa, raha tsisy mpamboatra
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
903 2
Fans: andony - kasa
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Miothyfifaliana
Inséré par : kasa
Date : 15/11/2013 09:27
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
Autres poèmes
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0134