FIONONANA (MiséVonjy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa mafy ny mamoy, anaty fahasambaranailay notiavina am-po, nantenaina ho namana
ka na ireo teny tiana, am-bava nifanolorana
zara latsa fahoriana, fangady hamongorana
roa taona no nitiavana, safononoka ny fo
saindy indrisy fa ny làlana, nisaraka ho roa
mitanisa ny fotoana, izay mba namiratan'ilay fitia
indro tany babangôna, no anjarako nitia
soa ihany fa ny fo, tsy tanalahy akory
fa mahay mikaroka ny soa, ilay tsy maha ory
hisaona izy anio, hitafy lamba fisaonana
hinoako kosa fa ambadik'io, tsikitsiky no fihaonana
fa any ho any, ilay fitiavana mila namana
mbola hiandry ihany, miandry tànana
hotolorako ilay tsy tiana, tsy ho roa taona
fitiavana hifamaliana, hiaina zato taona
--------
Lien: