HATREO (MiséVonjy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hatreto aloha ny foko, tokana safidydia ho an’ilay notiaviko fony mbola tsy hary
ny sentosento lava sy ny fiainana mangidy
dia ilay endrikao no fanafody raha marary
Fa no sedraina ny mangina sy ny fo tsy mitempo
ilay fitiavana mitsiry nameno izany fo
fa hiran’alahelo sy fo misentosento
no tontolon’ny fiainako, tsy nahita izay mba SOA
Fa mbola iza indray no hotiaviko noho ianao
r’ilay nantenaiko hitantana ny ho aviko
fa jambena ho’aho ny masoko tsy mahalala vao
tojo ny endrikao ry tokana sy mamiko
Ka hatreto aloha ny foko natokako ho anao
ny ampitso izay hinoako fa ho avim-pahasambarana
Ry malala tokana, ry lalaiko lasanao
dia ny ho aviko rehetra, anao tsy hamaharana
--------
Lien:
Catégorie :
Fampaherezana