HIVAVAKA (MiséVonjy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Hivavaka aho ka hiantso ilay Ray any ambony
Fa tsy maintsy ho Hainy ny hanasitrana ity fo
Hinoako mihintsy, fa na latsa na lonjony
Ho voafafa daholo, ho voasolo avokoa

Fa marary ity foko, eny mahatsiaro mijaly
Fa sarak’olo-tiana, ‘lay notiavina tokoa
Nefa moa raha tsy anjara, ‘lay Ray hampifaly
Hanome andro vaovao, hifalian’izany fo

Na hikiry aza aho, Izy mahalala izay mahasoa
Hikipy hiroso ihany, amin’ny làlana tsy fantatra
Na ho azo aza ilay niriana, hampifaly ity fo
Raha tsy eken’Izy Tompo, fitiavana an-dratra

K’hivavaka aho fa mafy, fa atao ihany ny mitia
sy anadino iny olon’iny, ho fafana ao an-tsaina
ho tononiko ihany koa, ilay vavakin’ny tia
fitalahoan’olon-dresy, manantena ilay maraina
--------
Lien:
Catégorie : Vavaka - fanantenana
1446 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : MiséVonjy
Inséré par : zavotany09
Date : 07/09/2010 06:52
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014