MITRAKA (MiséVonjy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Isan’andro ianao mitolona, miady lava amin’ny fiainanaTe-hitovy aman’olona ka mampitatra ny fisainana
Mahatsapa fa ny ezaka sy ny hery nolaniana
Toa vao maika mampitofezaka ‘ty vatana kely notsitsiana
Dia lasa ny fisainana mitady ny omen-tsiny
Fa ny vavaka sy taraina tsy misy valiny mangina
Saingy izao no tsarovy fa ny sedra sy ny ady
Na dia zara tsy mitovy dia nomena ho angady
Hisorohana ny sakana, handevenana hakiviana
hampitsiry ireo fakan’ny fanantenana izay nariana
ka tsarovy lalandava fa na irery aza ianao
Ilay Tompo hampisava ny aizim-pito mitatao
--------
Lien:
Catégorie :
Hambom-po - Aingam-panahy