NY MASONAO (MiséVonjy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa toy ny volana baliaka, anaty aizim-pitoIto masonao mijery, anivon’ny takolaka
fanilo hafa mihintsy, vitsy no mahita
ny hakanton’ny tarany, hazavana miantoraka
fa ny aizin’ny tsiahy, sokafam-betsoventso
tarafin’ito maso, mitahiry fahatsiarovana
dia indro fa tazaniko, tsy lavitra fa eto
anilan’ny anio, tomorim-pandalovana
ny lasa voatahiry, nokobonin’ny fo
nafenin’ito maso, baliaka lalandava
ampangain’ny masonao, manafina tokoa
ireo ady nolalovana, ho fanilo manazava
‘lay sento nitamberina, nampirotsaka tomany
noezahina nafenina tamin-tsiky sy ny hehy
d’izato masonao mitsiky miezaka hatrany
mampifaly ny ao anaty haha kanto ny tarehy
tsaroako ilay tsianjery fony mbola zaza
sy ny dobo manga roa, taratry ny ao am-po
izao vao tena tsapako, rehefa tojo ny sahaza
fa ireto masonao, diarin-tsika tena soa
saingy izao anefa, ireto masonao baliaka
fiafenako rehefa iny tojo hakiviana
mba semban-drahona ihany, tsy ora-mangatsiaka
hafanain’alahelo fa lavitr’olo-tiana.
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy
Commentaires
pisokelinah
(
12/10/2010 13:49)
tsy zakako mints ny mijery ny masonao ka!!!!!
Soarilala
(
12/10/2010 14:17)
Mahalaza zavatra maro tokoa ny maso ! Hita taratra amin'ny fijery izay tia-kambara na dia tsy mivolana aza