RAHOVIANA ? (MiséVonjy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitapikitra, mikiry mankamamy ny eto an-tanyRa olombelona ka mikipy falifaly aok’izany
Ka raha tojo sedra dia mikiaka Ray o ! ampio
Fa tsy zakako ny onja, mahery mafy ny tadio.
Mihevitra mihintsy fa eto an-tany paradisa
Dia milanona tokoa, tsy mitsinjo ny ampitso
Tojo olana nefa indro, Ray ho aiza Ianao
Nahoana no avela fa mijaly ‘ty zanakao ?
Raha mba mibaliaka ny andro, korana kalokalo
Ka ny anio dia anio ihany, ny ampitso ve tsy handalo.
Tsarovy anefa, fa mety ho raho-mainty no hitatao
Izay ve vao hiantso: Ray o ! nahoana no avelanao !
--------
Lien:
Catégorie :
Aingam-panahy