TSY AMBARAKO (MiséVonjy)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ilay foko nitomany, nitady ilay silanyniefonefona fidoboka, marary tsy anilany
koboniko ihany, hafeniko na tsy zakako…
ny sentony….
TSY AMBARAKO
Ny alina mangina, ilay fanaingako nofy
fitsonjovako anao, indro mitondra rofy
mampivadika am-pandriana, eny tsy zakako
ny akom-pitiavana tsisy…..
TSY AMBARAKO
Ito ondako, vonton-dranomaso mikoriana
fihiniko malefaka, sao ny ventsoko hangina
sy hitony fa mafaitra, ny alahelo tsy zakako
ny torimaso lasa….
TSY AMBARAKO
Ny foko mitomany, ny alina mangina
ny ventsony mankany, ny ranomasoko mikoriana
ny alahelo ilay tiana, eny mafaitra tsy zakako
ho koboniko, hafeniko ….
TSY AMBARAKO
R’ilay Malalako
Fa anjarako
Ka ho tazomiko Rahavako
--------
Lien: