TSY HANGINA (MiséVonjy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fa tsy hangina ity fo izay nikoly ilay fitia
Na marary sy marofy, tolefim-pahoriana
F’ireny lasan-tsika ireny, dia nana-tsara izay ho dia
Ho amin’ny andro ho avy, hiarahana am-pifaliana

Mino aho fa ny fivavako, izay nasandratro isan’andro
Dia tsy hiveri-maina akory, tsy ho tody any an-danitra
F’ilay fitiavako anao, raha mbola misy koa masoandro
Tsy ho faty velively, fa ho eken’ilay Andriamanitra

Fa ireny onja mahery, safotofoton’ny fiainana
Indraindray nandreraka fa nitsatoka tam-po
Tsy nataon-tsika naha-kivy, fa nakana fisainana
Hiatrehana ny ady, hiotazam-bokatsoa.

Fa raha fitia akia no hifanolorana ka valiana fitia
hisaloran-tsika ihany koa sy hiainana manontolo
Ny ali-mahaory singan-drery, tsy anilan’olo-tiana
Ho zary lohantaona, ny ririm-pitia ho voasolo.
--------
Lien:
Catégorie : fanantenana - Fitiavana
1088 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : MiséVonjy
Inséré par : zavotany09
Date : 19/08/2010 16:30
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147