Misy namana (MpiangalyPoezia (Zo Harinirina))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Misy namana

Tsy natao hitoetra, fa natao handalo,
Rehefa dify ny fotoana, olom-pantatra izy sisa
Namana maro, ny tena mamana vitsy an'isa
Izy ilay eo foana, miaro, manarina raha lavo
Namana marina!? Iombonana amin'ny avo
Namana, manala adin-tsaina, sorisory
Namana na manana na tsia, na ory,
Tsy sanatria rehefa misy patsa ihany akory
...
Izy, ilay mahatsiaro fa banga ny ekipa
rehefa tsy eo ialahy,
ny Zoma tsy manifiika, rehefa tsy eo ialahy
Vao maraina dia misioka, éry an-tokotany
Naman'ny tadidy, namana mpiandany
Niarahana nizara ny tsiky sy ny tomany
Naman'ny tsiaro raha sendra alavitra any
Fa tsy oe akory rehefa hindram-bola ihany
Ny tena namana ohatr'izany
...
Mpiangaly Poezia
--------
Lien:
180 1
Fans: hjravs
Commentaires
hjravs ( 11/04/2026 07:33)
Eny tokoa!
Ny fotoana hifaneraserana
no miteraka fisakaizana,
fa raha tafasaraka avy samy manana,
ny namany, izay hinamanana.
Eny, Mandalo tokoa ny fotoana TENA hinamanana, izay tena mahamamy ilay namana! Mankasitraka.
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : MpiangalyPoezia (Zo Harinirina)
Inséré par : MpiangalyPoezia
Date : 02/04/2026 10:20
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0112