NY TENY GASIKO (N'Aina)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
tokony hangina aho sy hijanona amin'izaytsy efa be no vita, fa satria aho tsy mahay
tsy miteny gasy tsara
raha ny marina no ambara!
fa ny voambolana ampiasaiko, irony teny mahazàtra
na foronin-tsotra izao, tsy mihaja, lavi-pàtra
hafa ihany ny taloha
ilay teny gasy, teny soa
ary indrindra koa anefa, zava-misy tsy azo afeniko
tsy vitan'ny tsy haiko, fa tsy tiako koa ny teniko
ka tenim-pirenena hafa
indray no entiko mitàfa
Fa mbola malagasy aho, Malagasy ny anarako
Tsy hadihadiana akory: malagasy ny tantarako
ny rakibolana efa misy
dia mitady hafa indrisy
ilay teniko voalohany Fony izaho nibadabada
niainako ny mamy, niantsoana Neny sy I Dada
raha avelako ho lefy
dia izaho no olon-dresy
--------
Lien:
Fans:
zokinantitra