TONGA LAFATRA (N'Aina)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TONGA LAFATRA
(hira henoina : PERFECT. Ed SHEERAN)
« I found a love for me, Darling, just dive right in and follow my lead…
I found a love, to carry more than just my secrets…”

Ianao ilay Tiako, Lala, tena tiako indrindra
Am-pitiavana mitoetra, tsy afaka hifindra
hiombon-dalana isika, hiara-dia, tsy hifandao
Hiaraka ny vinavina, ny eritreritra sy hatao

Orohiko miadana ianao, fa tena mamiko izany
Ny masonao fafàko mora, raha sendra ditsoka tomany
Ny dihintsika atao, anatin’ny somambisamby
Miara-mihaino hirahira, feno toky, feno tamby

Ianao ilay Tiako Lala, hilazàko izay tsiambaratelo
Hizarako ny hafaliana, hitambarako alahelo
Hiray fonenana sy aina, hiray feo, hiray dina
Hitaiza koa ny zanatsika, taranakao ry olon-tiana

Fa hitako ilay fitia, tena mendrika sy to
Aminao Malalako io, mampangoraka ahy hatrany am-po
Ilay fanaperan’ny fitiavana, ilay fitia tonga lafatra
Ka toa kalo izay renesiko, sy izay jineriko toa sambatra
--------
Rohy:
Sokajy : Fitiavana
1288 2
Mpakafy: hery - zokinantitra
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0171