Ialaha iny... (Nalaina ANDRIAMBOLA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Sambatra ialaha izao
Fa eo anilan'ilay olon-tiako
Faly ialaha fa naka ny malalako;
Ilay malala tiako tsy foiko


Dia sahin'ialaha
Naka aniny malalako iny
Tsy menatra ahy akory ialaha
Nisongona ny fitiavako azy iny...


Sakaiza manody raha ialaha iny
Tsy mba misaina akory
Ny hahazo ity foko efa babony;
Ary izay mbola tia azy irery


Tsy mataho-tody raha ialaha
Ka sahy naka ny malalako
Ka manodiava an'ialahy ny mahazo ana;
Fa tsy ho zakan'ialahy ny alaheloko...
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
748 2
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Nalaina ANDRIAMBOLA
Inséré par : nalaina.andriambola
Date : 10/11/2017 17:40
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0159