Indray andro any (Nasolo)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mitsiky kely dia mitomany
nidify indray 'lay masoandro
Sa ve izany no eto an-tany ?
Tandrifin-drahona isan' andro

Ilay olon-tiako nitarainako
nanosika ahy toa nandao
Fa nahoana kay ny fiainako
no ranomaso lava izao

Impiry moa aho no mba nifaly ?
Azo isaina an-dratsantanana
Fa raha ny sento sy ny jaly
nampanarivo raha fananana

Na mafy aza nefa ny manjo
tsy ho kivy aho, tsy ho ketraka
ka ny alahelo ato am-po
zakaiko ihany na mavesatra

Manantena aho f'indray andro any
Ho foana hatreo 'reo fahoriana
Ka 'lay toloko sy tomany
Hiova tsikim-pifaliana
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
1408 1
Fans: fanamps
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Nasolo
Inséré par : emmy
Date : 28/07/2007 07:01
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139