Adin-tsaina (Conflit intrapsychique) (Nevrozy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Apetako ny satroka,
Somary fafako ny tavako,
Dia miatrika ahy no sady mifantoka,
Mijery fitaratra farany, ka ny masoko
mijery ny masoko

Miandry ahy ny ady goavana indrindra
Dia ilay ady mampivarahontsana, ilay ady tsy misy mpandresy nefa tsy mahazo resy
Ny manodidina antsana, sy volcano tsy ritra
Ny fanafihana misesy

Io ady io, dia ato anatiko,
Ary Haiko fa tsy ho tapitra rahampitso…
Nefa…
Soa fa tsy zavatra vaovao amiko,
Tazomiko ny lefona, apetako ny maska
Dia hiady ahy, dia hiaritra!
--------
Lien:
268 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Nevrozy
Inséré par : Nevrozy
Date : 24/02/2025 03:56
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.011