Fitiavana dia (Nirihaja)

Nantsain'i
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mihira ny foko.
Ny hiran'ny foko?!
kalo fivetson'ny tia tsy mety miofo;
Kalo mangina naafitry ny ela;
ny amparahatoka,
Kalo fivetson'ny tia sady sahy,

Fitiavana zaza tsy hay ho tanana;
Fitiavana dia;
Tsy irony fiotazan"irony mpijirika
fitia an-tendron'ny molotra, faly ny hahazo,
Fa
Fitiavan'ankizy tsy hay ho visain'
eritreritra maika fa ho any fa ho any,

Fitia tsotra kely, madio mangatsakatsaka toy ny ranom-panala atsidiky ny maraina
Fitia tsy harefo na ino k'hitranga
Fa mitoetra eny foana, hitondra mazava
Fitia fikalon'ny olom-pandresy, tsy mety mba kivy,
Fitia tsy mihemotra.

Fitia mamiratra mihoatra noho ny kintana,
ho an'ny mahay mandray azy,
Fitia mora azon'ny vitsy mpisaina.
Fitia tsy mety maty.

Mihira ny foko.
Ny hiran'ny foko?!
Fitiavana dia na oviana tsy ho foana
Naafitry ny ela am-parahatoka,
No indro izao mifoha.

Nirihaja
--------
Rohy:
1138 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Nirihaja
Nampiditra : hery
Daty : 06/04/2021 17:57
Antsantononkalo
Nantsain'i
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0104