Ratrampitia (Nirina(hafahafa))

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Tsy hoe hadalana na fioaram-pefy
Lay terim-pitiavana mampijefijefy
Fa ny foko tsy toy ny lavakombarika
Hahay hitahiry ireo fitiavana miafina

Tsaroana fona raha sendra miady
Fa fifanekena sy nanaovana voady
Miangavy tsy olefin’ny hajejona
Na koa afenina rehefa misy mandona

Ialako ny tsiny raha hanao vazivazy
Fa efa lalim-paka ka marina ny azy
Ireny fanomezana nifaovana dina
Aoka hoentinao eny fona ry tiana

O ry befitiavana nahoana izy zany?
Toa misalotra galona sa be loatra ny lany?
Gradiny be sandry sa be atidoha?
Sa nanaritoky taminy le sipa kely taloha?

Naita ny lafatra dia nitampify
Nifampiarahaba sy nitsikitsiky
Teo no nanomboka ny tantara
Tsy hifaran’ty ra tsy any antanàna

Velampandrika ve sa fahatsorana?
No manararaotra ny andro morana
Efa an’olona ve no kin’asa oalaina sa…
Ny sandriny zoky no tiana otsapaina ?

Kinanjo tsy kotroka no nampienjera
Fa fahatairana tamin’lay mpitsena
Ny foko naratra tsy tazana ivelany
Hany niafy ny aminy sisa tandremana
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1186 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Nirina(hafahafa)
Inséré par : hafahafa
Date : 13/11/2014 05:36
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136