Embona sy Fitiavana (Ny Ando RABEARIVELO)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Be ny zavatra ato antsaiko
ts tanako ts tantaraina re ry malalako
satriko fona ny ho eo anilanao
ilay masoandro manazava n tontoloko

Saingy indrisy re ry fitiavako
fa voafatotra ilay vavako
Lasalasa vinany, kanefa ts akory
satria ny eto an-tany, dia fanirina irery ihany

Fa fitiavana mahay mivoatra
Fitiavana tena maharitra
Zay avy ato anatiko ato
No homeko sy atolotro anao

Te hanantena mafy, fa matahotra
Ts sahy mamindra, fa sao ho voafingana
Mila hitroatra , sy hoafak'aina
Zany aho mitoloko, sy mitaraina

Raha izaho manokana,dia tsy manan-kolazaina firy
Fa fotsiny tiko soratana, ilay ato anatiko ato
Teny kely iray toa zato, zay manahirana n saiko
Ao anatin'ny sora-kanto, izay efa voafatotrako

Aingam-panahy mb sendra nandalo nenah iny
Izay nanoratako n hetaheta sy fanirina ary ny fery
Menatra aho ts sahy miteny
Fa efa enao ilay rampitsoko hatrizay


(08/06/2024)
--------
Lien:
203 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ny Ando RABEARIVELO
Inséré par : Tomah
Date : 08/06/2024 09:19
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0131