Ampidiro aloha ny tenimiafina
MBOLA (Ny Antara ANDRIANARISAINA)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola tonga ianao hamoha ny lasa efa mandry izay efa difotry ny alahelo vao tsy ela akory izay;
Avy mifongatra mivoaka tsisy mpihady
ny alahelo efa nanolatra ka tonga ratra indray.
Mbola tonga ianao handatsa ny lavo efa nanarina,
na kiry sady hambo aza no nirisihany hiady;
Kinanjo izy potraka sy lavo ary mila tsy ho tafarina
noho ny hetraketraka nihatra sy ny efa koa nianjady.
Fa mbola ho tsapanao 'zany hoe: esom-paharesena,
Fa anio aloha mihobia! aza mihevitra akory!
Fa mbola ho tsapanao ihany izany tsindriazolena
hampiarin-dreo tsy vanona amin'ny olona efa ory...
--------
Lien:
Catégorie :
Alahelo
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecterA propos
Auteur : Ny Antara ANDRIANARISAINAInséré par : Ny Antara ANDRIANARISAINA
Date : 03/12/2017 17:04
