Ilay jiolahimboto (ontsy)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Enjehina lava, atosi-bohon-tanana
Andosiran-davitra, tsy avela ho namana
Tsy topaza-maso, fa hiatakatahana
Fa fositra, hono, ka tsy azo amaharana.

Sokajina ho boto, ho mpibahan-dalana
Ilay faraidiny, satria tsy manana
Mampihaoka mandoa, tsy mba fandray tanana
Jiolahimboton'olona, olon-tsy vanona.

Endrey andihizana rehefa lasana
Tsy azo otronina, hatreny amin'ny fasana
F'izay mba mitsetra, dia hahita faisana
Na lolo sy avelo, tsy azony iraisana
--------
Lien:
201 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : ontsy
Inséré par : ontsy
Date : 29/06/2023 11:10
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.014