Ketraka (Papango )

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Reraka ny foko
Misaina ny amintsika
Vesaran'ny toloko
Sy alahelo tsy hita isa.

Mbola hitohy ve
Itony zava-tsarotra
Moa ve afobe ?
Fa tena efa tsy aritra.

Raha afo fandiovana
Toa efa ela loatra
Izaho fadiranovana
Efa te hitroatra.

Hatraiza ka hatraiza
Ianao no hantenaina
Nahoana ry sakaiza
No niova izany saina ?

Papango 05-07-26 21:06
--------
Rohy:
Sokajy : Fiainana
78 0
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny tononkalo
Mpanoratra : Papango
Nampiditra : Papango1
Daty : 05/07/2026 21:39
Antsantononkalo

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa Hampiditra feo
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.068