Fitia Velon-ko ringana (Penina Mainty)

Lu par
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
zato isan-jatony
ilay fitia faratampony
nafoiko ho anao manontolo
ka efa nataoko tsara kolo.
saingy ianao nialangalana
nanafangaro azy tamim-pihavanana
ka nanova ny endrika ifotorany
sy ny fiandohana niforonany

f'ianao nampananika ahy zana-tohatra
ahatonga ahy amin'ny farany ambany
ka ny foko efa naniry elatra
no indro nalentikao tanaty tany
ary ianao niridana nirifatra
nandositra ny fitiavako
izay mikisaka mihisatra
naniry anao ho sahazako.
--------
Lien:
Catégorie : Alahelo
1360 1
Fans: risy
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Penina Mainty
Inséré par : risy
Date : 05/12/2006 06:08
Lectures
Lu par
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0147