TSY HO EKEKO (Ra-jouany)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
TSY HO EKEKO

Vohitra iray mitokana
lavi-pandrosoana:
Io no mba tanànako

Zara misy ialofana
Feno fahalotoana:
Kanefa dia hiadanako

Tanàna mangingina
foana rendrarendra:
ao ny tanindrazako

Maro mpanakiana
Tsy mampilendalenda:
ao no misy ny havako

Tany be mahantra
hiadanam-pahavalo:
no hany fireneko

Na misy aza mihantra
ka vonona hanakalo:
TSY HO EKEKO,TSY HO EKEKO

Ra-jouany(jean bosco)
CRINFP Moramanga
--------
Lien:
Catégorie : Hambom-po
906 1
Fans: rhavou
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Ra-jouany
Inséré par : vizir
Date : 25/10/2016 08:10
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142