IRIKO (Rabefitiavana)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Iriko ry Tiana
Ny ho anilanao hatrany
Satria mampisy fifaliana,
Ary koa mamafa ny tomany

Mba faniriako ihany koa,
Raha toa ka ifampizara
Ny fitiavatsika roa
Na dia mety ho voarara

Mety mba irianao koa , izany dian-tsika roa
Ho tafita hatrany hatrany,ka iaraka ho doria
Ka na tsiky na tomany, isika roa hiriaria

Fa ny tena faniriako
Ianao anilako foana
Hitantana ahy amin'ny diako
Hanoro ahy mandavan-taona,

Izany faniriako izany
Inoako fa tsy ho ahy irery
Fa iraisan-tsika hatrany
Anatin'ilay fitia mahery

Mpanoratra: RABEFITIAVANA
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
940 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Rabefitiavana
Inséré par : lalainarakotonandrasana00
Date : 11/09/2014 06:29
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144