Ry nosy mamiko (Rabefitiavana)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry nosy mamikoTany mamy tena tiako;
Ianao ry gasikarako;
Hany tokana fananako
Hany ka tsy ho simbarako
Ianao ry nosy mamiko,
Na latsaka anaty aizina aza;
Indro izaho efa ato amiko
Ilay faniriko anao ho fata-daza
Maro ereo manitsakitsaka,
Tsy vitsy ny manisakisaka,
Fa izaho kosa andeha hanandratra,
Aha tonga anao ho tany sambatra!
Omeko anao ry nosy mamiko;
Ny hery rehetra ato anatiko
Omeko ireny hanasoavako
Satria avy aminao ireny no indramiko
Mpanoratra: Rabefitiavana
--------
Rohy:
Sokajy :
Tanindrazana
Hametraka hevitra
Midira alohaMomba ny tononkalo
Mpanoratra : RabefitiavanaNampiditra : lalainarakotonandrasana00
Daty : 11/09/2014 10:06