Ry nosy mamiko (Rabefitiavana)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry nosy mamiko

Tany mamy tena tiako;
Ianao ry gasikarako;
Hany tokana fananako
Hany ka tsy ho simbarako

Ianao ry nosy mamiko,
Na latsaka anaty aizina aza;
Indro izaho efa ato amiko
Ilay faniriko anao ho fata-daza

Maro ereo manitsakitsaka,
Tsy vitsy ny manisakisaka,
Fa izaho kosa andeha hanandratra,
Aha tonga anao ho tany sambatra!

Omeko anao ry nosy mamiko;
Ny hery rehetra ato anatiko
Omeko ireny hanasoavako
Satria avy aminao ireny no indramiko

Mpanoratra: Rabefitiavana
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
954 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Rabefitiavana
Inséré par : lalainarakotonandrasana00
Date : 11/09/2014 10:06
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0135