Teny tsotra no tsy lava n (Raben'ainga)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Teny tsotra no tsy lava
ny teny hoe "tiako ianao".
Raha tsy voaloaky ny vava,
dia mafana ao anaty ao.

Teny fohy fa mampahory,
mampijaly, mampahia.
Ka na voalaza tsy hay akory:
hanaiky ihany ve sa tsia?

Teny kely fa oman'aina,
hiroso ihany ve ny dia?
Baraingo foana no ao an-tsaina
indrindra raehefa tena tia.

Ka na vavy ianao na lahy,
dia manan-jo hitory fitiavana.
Aza menatra, aza manahy;
ambarao re rahavana.
--------
Lien:
Catégorie : Aingam-panahy
1001 1
Fans: leraby
Commentaires
Tojoninofy ( 07/03/2016 18:29)
maly ranga a tsy misy afa miala @'io fitiavana io
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Raben'ainga
Inséré par : leraby
Date : 07/03/2016 14:23
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0148