Mba lalina loatra (Rafanoharana, Bolespara)
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mba lalina loatra ny zava-mahazoAnay vehivavy hiraina an-gazety ;
Raha ahitra manko 'zahay dia halazo,
Ho maina, ho maty, ho lo vetivety !
Na olon-dehibe na zaza, tanora,
Dia samy miteny, manao aok'izany !
Vehivavy ! Vehivavy ! O ! tena fatsora ;
Ny zanak'i Eva mandoto ny tany !
Kanefa ;
Mba iza 'reo olona tia jorojoro,
Manao saron-doha, toa tena "manavy",
Akaikin-tamboho, tamboho mikoro ;
Mba iza ? Moa dia vehivavy ?
Mba iza 'reo sahy manao teny tsara
Milaza fitiavana tokana ihany ?
Dia 'njao fa miventy "Ianao no anjara !"
Kinanjo handoto no hevitr'izany.
Mba iza 'reo sahy manao pi-maso
Na anaty vahoaka na an-toera-mangina,
Tsy menatra akory miantso "andraso"
Sy misakan-dalana ery am-piviliana !
Mba iza 'reo dia alim-pody mazàna,
Dia ireo izay miala ho "be raharaha"
Kinanjo misotro, miloka igagana ?
Mba zovy zareo ? ... Lazao, iza angaha ?
Raha izany sy izany no izy, hevero :
Ny faharatsiana iombonana ihany
Koa aza dia kanto hanolotra afero
Fa sarotra iainana anie eto an-tany !
Hatramin'ny anio samia e ! Hendry
Na lahy na vavy. Koa amin'ny sisa
Ny fahatsarana anie no ho voakendry
Dia hiova ny tany ! eny ho "PARADISA" !
Bolespara - Antsirabe 17 septambra 1926
--------
Lien:
Catégorie :
Vehivavy