Ry Malagasy Namako (Rakotobe Sombiniaina)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ry Malagasy Namako

Ry Malagasy mpiray tanindrazana amiko
Ry Malagasy Namako
Fantatra fa misedra ny mafy isika
Indrindra fa ity fahantrana mikija

Ireo ho avin'ny tanora maro be
Dia ao anatin'ny ahiahy hatrany ve ?
Manjaka ny tsy fandriampalemana sy ny kolikoly
Ry Malagasy namako izay tena feno alahelo sy ory

Fantaro, ry Malagasy namako fa ...
Ilay Tompo be fitia dia miahy antsika hatrany
Mihezaha foana ry zareo, aza mitanondrika
Fa mbola ho avy ilay masoandro miposaka

Ho ahy, ho antsika ry Malagasy namako
Izany indrindra ny faniriantsika fa fantatro


Sombiniaina RKT
05-04-2024
--------
Lien:
Catégorie : Tanindrazana
62 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : Rakotobe Sombiniaina
Inséré par : rakotobesombiniaina
Date : 09/04/2024 11:04
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133