tsy resy tsy akory (RAKOTOMAHEFA)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
nangidy sy nafaitra sy navesatra tokoa
ny tebiteby lava ka nahatonga sorisory
sadaikatra aho matetika nikaroka ny soa
Na mafy, na ho mora, tsy resy tsy akory

na mitsilopilopy aza ny làlana ombana
Ny alina mangina aza zara raha natory
Dia vonona hiatrika handresy fahantrana
Ny teny haloa-bava dia, tsy resy tsy akory

zovy no ahatsapa ny hirifiry anaty ratra ?
Fotoana hiaretako sy ahatsapako ory
Mafy io fa mibanjina, ny tanjona ho tratra
Dia averimberiko ihany, tsy resy tsy akory

Fitaka ny tany, ny handefi-lava aloh fadio
matetika aho tsy tonga ,rehefa misy vory
Tsy misy hianteherako, fa vondrona tadio
masaka ao an-tsaiko, tsy resy tsy akory
--------
Lien:
Catégorie : Fanantenana - Fiainana
5 1
Fans: micka53
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
A propos
Auteur : RAKOTOMAHEFA
Inséré par : micka53
Date : 02/08/2020 15:29
Lectures

Pas encore lu

Demander une lecture Ajouter audio
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2026 - page load 0.0378