tsy resy tsy akory (RAKOTOMAHEFA)
Mbola tsisy niantsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
nangidy sy nafaitra sy navesatra tokoany tebiteby lava ka nahatonga sorisory
sadaikatra aho matetika nikaroka ny soa
Na mafy, na ho mora, tsy resy tsy akory
na mitsilopilopy aza ny làlana ombana
Ny alina mangina aza zara raha natory
Dia vonona hiatrika handresy fahantrana
Ny teny haloa-bava dia, tsy resy tsy akory
zovy no ahatsapa ny hirifiry anaty ratra ?
Fotoana hiaretako sy ahatsapako ory
Mafy io fa mibanjina, ny tanjona ho tratra
Dia averimberiko ihany, tsy resy tsy akory
Fitaka ny tany, ny handefi-lava aloh fadio
matetika aho tsy tonga ,rehefa misy vory
Tsy misy hianteherako, fa vondrona tadio
masaka ao an-tsaiko, tsy resy tsy akory
--------
Rohy:
Sokajy :
Fanantenana - Fiainana
Mpakafy:
micka53
