ILAY LOLOKO (RAKOTONDRANARY Mampionona)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Lolo, voary mahavarianaTsara tarehy sy mahasondriana.
Mambabo ny fo raha jerena.
Mahate ho tia, feno fahalemena
Ny vonikazo no tena tiany
Raozy mamelatra no faniriany.
Na dia singan'iray ihany aza.
Maharavo ny fony izay toa zaza
Raha samborina izy dia mandao.
Fa izy mila matoky anao.
Miverina kosa izy rehefa tia.
Ho eo atsandrinao ankavy.
Malefak'ery ny fijery azy.
Mivezivezy mamazivazy,
Ny akajony izay maroloko.
Voamaika koa mambabo ny foko.
Faly ery aho raha nofinidiny
Ka variana ny manodidina
Tsy ampoizina ny hita eto an-tany.
Amiko ilay Lolo no nahita mamy.
--------
Lien:
Catégorie :
voary - Namana - Lolo - Hanina - Fitiavana - Fisarahana - fiainana - embona - Aingam-panahy