MANINA - RAKOTONDRANARY Mampionona
Azo vakiana?
Lavitra, saraka toa tsy tafaraka.
Ny lasako kosa toa manaraka.
Miteny milaza fa any ho any;
Sarika balika ilay volana mamy.
Ilay malala tokana iray tsy soloiko
Ilay namana tokana nameno ny foko;
Ireo sanginy, tsiky tsy nankaleo;
Toa vao tsy ela fa vao anikeo.
Tadidiko ery rehefa tomany,
Nifoko mangina izy amizany.
Dia tonga aho namihina sy nampitony,
Nitondra masoandro ho an'ny fony.
Hametraka hevitra
Midira alohaMombamomba
Mpanoratra : RAKOTONDRANARY Mampionona
Nampiditra : PounDaty : 25/06/2007
Mpamangy : 1360
Mankafy : 0
Tononkalo hafa
ILAY LOLOKOvavaka ho an'i "Neny"....
tsiaro