Adin-tsaina (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Adin-tsaina isan’oraNo iainako eto an-tany
Ka misoko moramora
Ireo hakiviana sesilany
Adin-tsaina mivangongo
Amin’ity trano bongo
Tsy mba misy mijery sy mihantra
Satria ve olona mahantra?
Adin-tsaina lalandava
Mandrakotra ny androm-piainana
Ka tsy mba misy andro mazava
Hitadiavan’olona hitarainana
Adin-tsaina mamparary
Ka zara raha mahatelim-bary
Fa vokin’ny adin-tsaina
Na ariva na maraina
Adin-tsaina tena mafy
Nefa mbola ilaozanao migafy
Amin’ny teny mandratra sy feno fosa
Amin’ity olona malemy sady efa osa
Adin-tsaina mitambesatra
No mibahana ao anaty loha
Vavanao anefa toy ny karetsaka
Ka ny heriko rehetra, voahidy avokoa
Adin-tsaina mampangirifiry
Toy ny ratra nipipizana
Sy latsaka an-davaka mankadiry
Nefa mbola hosenao sy handihizana
Adin-tsaina mandramaty angamba
No tianao hiainako
Dia hifono voro-damba
Ny fo amam-panahy sy ny tenako
Ymamiah 11/06/2023
--------
Lien:
Catégorie :
Fiainana