Alina (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny alim-bolana manganohanoNo tena ahenoina feom-biby an-tanety sy anaty rano
Toa mihira mandrotsirotsy
Zay ahitako tory anaty bodofotsy
Ny alin-kintana izay mazava
Mitaona ahy mba ho sahy
Ka misarika ny fo sy fanahy
Mba hijery azy lalandava
Mahagaga sy mahavariana tokoa
Ny endriky ny lanitran'ny alina
Ary mifono mistery ihany koa
No mifono hery lalina
Alina maha be rediredy sy renireny
Izay mitady hitondra aho an-keny
Saingy indrisy, fa mbola be rofy
Dia tsy azo atao,fa iainana anaty nofy
Ymamiah 9/06/2020
--------
Lien:
Catégorie :
Eritreritra mandalo