Any ambanivohitra any (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Any ambanivohitra anyNo misy any dada sy neny
Any ilay misy ny an-kany
Ka tsy ho adiniko velively
Tany daholo ny fahazazana
Ary koa ireo namana tsy nanary
Dia maro tokoa ireo fahadalana
Ka anisan’ izany ny kivarivary
Trano kely vitsivitsy
Ny any ambanivohitra any
Ny mponina mbola tena vitsy
Ka feno hafaliana aok’ izany
Ny fofona manitra manerana ny saha
Tsara aok’izany
Ka tsy ambaka ny ranomanim-bazaha
Eo ihany koa ireo zava-maniry eny antanimboly
Ka satriko foana ny eny no atao fialamboly
Ny tena tsy afaka ato antsaiko
Dia ilay sada mena
Omby tena ampiasaiko
Sady tia mitrongy tanimena
Ny andiam-borona maro
Miverina hoan’ny ankany
Ny lohasaha mavana
Miampy ireo tanety, dobo, renirano maro
Tsy mampiteha hody fa ijanon eo ihany
Izany ny loko malefaka ny rano
Misarika ny saina mba hanantona avy hatrany
Indrindra moa rehefa fararano
Dia mihoatra lavitra noho izany
Rehefa hariva indray
Dia injany fa manakoako
Ny feom-biby fiompinay
Miandry ny homena sakafo
Dia izany ny any ambanivohitray
Ka tsy ho adiniko mandrakizay
Ary tena mafinaritra tokoa
Ka ataoko hoe Edena faharoa
Mamy 21/09/2018
--------
Lien:
Catégorie :
Embona