Aza enjehina (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Aza enjehina aho fa mbola miaina ao anatin'ny tsy fisianaEkeko fa izay ny fiainana eto an-tany
Fa mba avelao aho hiainam-pifaliana
Sy hianto kely ny fijaliana sy ny tomany
Eny e, matoa moa misy ny fanenjehana
Dia mety ny natao sa ianao tsy mino?
Koa ny anao atao tsara na koa ketrehana
Dia mba mivavaha, ary ny finoana sikino
Ny fihetsikao dia efa maneho fankahalana
Tena manindrona ny fo ary tsy misy akitsetra
Ny fosanao, misy momba ahy mazàna
Sa? tsy haiko,mety ny aina no fetra
Efa ela no fatako izany, miampy ny masonao mangarika
Sy ny fihetsikao mingafy
Ny ozanao mitarika
Ary ny ompanao mifafy
Ymamiah 9/06/2023
--------
Lien:
Catégorie :
Fiaraha-monina