FAHENDRENA SY VALIFATY (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Mbola tsisy niantsa

Hangataka antsa
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fahambaniana ny valifaty, ka aza valiana,
Na ao anaty, na ivelany tsy hitarika ho faty.

Fakam-panahy tsy mety lo, tsy mba mitahy
Ny otripo manafintohina, tsy manome fahafahana.

Fahakelezana ara-tsaina, fahaverezana
Tsy ilaina, mitondra alahelo sy fanaintainana.

Fanakotakonana hazavana tsy iombonana, ka ialana,
Eee! izany fandeferako tsy midika faharesena.

Izay vitany honerako dia mangina ny fahendrena,
Haleoko mody adala ary akomboko ny vavako.

Satria maro ny mpankahala manaratsy ny anarako,
Ao ariana ny mpanenjika hefiako raha manozina.

Ho avy reha ny valifatiko amin'ny ora tsy ampozina,
Mitondra rariny tsy hita maso, fa tsy hitarika loza.

Ymamiah 28/08/2025
--------
Rohy:
Sokajy : Fiaraha-monina
194 1
Mpakafy: Ymamiah
Hametraka hevitra
Midira aloha
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0114