Fanantenana (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Fanahin'olona maro no efa trotraka
Tsy vitan'izay fa sasatra no potraka
Mangataka ny hitsaharany
Handinihina izato lalany

Eo ianao Ilay Mpampahery
Sady mpamindra fo
No tonga hanasitrana ny fery
Ary hanome hani- mahasoa

Tonga Inao tsy nijery ny fahadisoany
Fa nanampy mba hiarina
Voafafa avokoa ny fahotany
Ka mahatonga azy ho olo- marina

Koa manomboka eto ny zanakao
Dia mangataka fiainana mba ho lavorary
Ary apetraka eo an-tananao
Ny ahiahy mba tsy hanjary

Izahay dia manana toky sy fanantenana
Manaiky ny fitorian'ny Fanahy Masina
Ka hankalaza sy hihira ampiderana
Hiandrasanay ny fanjakanao Masina
Ymamiah 9/06/2023
--------
Lien:
Catégorie : Fivavahana
213 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0136