Madagasikara manan-karena (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Madagasikara nosy manan-karena
Manam-biby sy zava-maniry marobe
Vatosoa, volamena, handramena
Fananan’ny daholo be

Manan-java-maniry roarivo sy iray alina
Ipetrahan’ireo biby mivoaka atoandro na alina
Ka maherin’ny 80 isan-jato
No tsy hita afa tsy eto amintsika hatram’ny taon-jato

Manan-karena zava-mainiry anie ity tanindrazana
Ampiasaina amin’ny fitsaboana netim-paharazana
Mihoatra ny telo arivo no fitambarany
Ka ilaina avokoa na ny raviny na ny fakany

Maro ireo aretina, sitranina amininy eto Madagasikara
Na hatrany Antsiranana na hatrany Manakara
Ndrindra fa ireo aretim-pivalanana
Izay mampikoroso ny fananana

Ankehitriny, natao itadiavana ireo singa simika
Ny zava-maniry izay misy eto amintsika
Mba hahafana mifehy ny tontolo
Ary tsy ho lasa bobongolo

Ymamiah 11/06/2023
--------
Lien:
Catégorie : Tontolo iainana
252 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0142