Mbola Afaka Miova (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Mbola Afaka Miova
Eny, nisy lolom-po nandoro tao am-poko,
Nisy fankahalana tsy navela ho bongo.
Fa ny foko tsy vato, tsy voafatotra ho toy ny hazo,
Afaka miova sy mianatra, tsy ho very an-kizo.

Eny, nisy teny mafy nataoko toy ny lefona,
Nisy fanozonana nataoko teny feno herisetra.
Fa androany dia fantatro fa diso ny lalana,
Ka ny vavako ankehitriny hihira fihavanana.

Resy aho taloha, nekena tsy lavina,
Tsy hoe olon-tsy mendrika fa mbola niady amin'ny fahazavana.
Fa izay tratran’ny ratra sy vesatra mavesatra,
Afaka mitsangana, na niankandrefana aza ny varavarana rehetra.

Raha ranomaso no lasa rano nentiko nisotro,
Dia ankehitriny ho fitiavana no angatahiko ho fototra.
Tsy hanorina amin'ny latsaka sy alahelo intsony,
Fa hanomboka amin’ny marina sy fandeferana fo sy saina manontolo.

Aoka re, aza anambarana hoe tsy ho tafavoaka,
Fa ny fo mibebaka dia afaka manarina ny lalan-kodiavina.
Tsy hangalatra hafaliana, tsy hanalona hery,
Fa hizotra amin'ny fahamarinana, tsy handratra intsony intsony.

Ka raha sendra ahy ianao indray andro any,
Dia ho hitanao ny fahendrena mitaratra anaty.
Tsy ilay nentim-pahakiviana sy fankahalana,
Fa olona iray vaovao, miandrandra ny tena fahasambarana.

Ymamiah 27/07/2025
--------
Lien:
Catégorie : Fitiavana
198 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.012