Miharatsy (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Miharatsy isan- taona,ny fiainan'ny tontolo
Farim- piainan'ny tsirairay, mitotongana daholo
Miseho avokoa ny loza rehetra
Ka tsy voafehy na andraisana fepetra

Miharatsy isan'andro ny fiainan'ny vahoaka
Tsy afaka makaiza na mba tia hitroatra
Ny vola sy ny harena, toa lasa bobongolo
Ka be ny tsy manana, afa tsy tanam-polo

Miharatsy hatrany hatrany
Ny fiainana eto an-tany
Tsy hatao mahagaga, fa vokatry ny fahotana
Zay nafafin'ny fahavalo na koa i satana

Dia hilaza amin'izay, fa voahozona ny taranaka
Ny tontolo rehetra voazanaka
Satria, hatramin'i Eva sy Adama
Dia voafitaky ny menarana

Ny fiainana mamy, toa lasa mangidy
Eny, ny sakafo aza mila tsy voavidy
Ka be ny tsy manan'aina, tsy afaka miady
Tsy afaka mijoro, fa tsy maintsy mandady

Soa ihany anefa, fa eo i Jesoa
Izay maty tao Kalvary
Mba hanavotra antsika ety
Sy hanome paradisa soa

Koa izao sisa izao
Andao hibebaka amin'izay
Hivavaka sy hitalao
Mba ho velona mandrakizay
Ymamiah 9/06/2023
--------
Lien:
Catégorie : Fiaraha-monina
211 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2025 - page load 0.0146