Namana-fihavanana (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)
Pas encore lu
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ianao iny dia tena namana Dia niroborobo tokoa ny fihavanana
Misy ihany ireo tsy tia
Fa ianao kay miatsaravelatsihy
Aoka re mba tsy hosoparana
Raha tena fihavanana
Eo imasoko ianao mahay milaza
Satria mihevitra aho toy ny zaza
Dia any ambadika be tantaraina
Fa eto anoloako mampandry saina
Fatatro ihany fa milakisa
Tsy ferana koa ny disadisa
Fa any ambadika vavan- gisa
Eto anatrehako mampandry gisa
Ianao dia mahay mitalao
Ka azo daholo izao rehetra izao
Fa any ambadika mifosa
Aty amiko mitady andoava trosa
Eo imasoko dia mahay mikabary
Dia tonga hatrany amin’ny resa-bary
Fa any abadika sotrobe lavatango
Aty amiko mbola mitady rano apango
Ka aza misy tratran’ izany
Aleo mandeftra fa aza tomany
Na mafy aza ny fihavanana
Dia ampiarao fivavahana
Fa ho hitanao tokoa
Izy koa hadio fo
Mamy 18/08/2018
--------
Lien:
Catégorie :
Fiaraha-monina