Ngidim-piainana (RAMAMINIRINA Henintsoa Jean Baptiste)

Pas encore lu

Demander une lecture
(Nalaina tao amin'ny vetso.serasera.org)
Ny fiainana eto an-tany
Zay ambany ny masoandro
Dia miamafy hatrany
Isa minitra, isan'ora, isan'andro

Eny ,fa na dia manapaniriana
Mba hianjehana ny masoandro mody
Hialana ao anaty fijaliana
Nefa indrisy, zara fa ho tody

Eny, misy fotoana mibalika
Toy ny taratry ny masoandro
Zay manala ny hatsika
Ka manafana ny andro

Eny, misy fotoana manjombona tanteraka
Toy ny masoandro semban-drahona
Ka izay atao rehetra tsy mety hipetraka
Mafy, mangidy mihoatra lavitra ny vahona

Ymamiah 9/06/2020
--------
Lien:
Catégorie : Fiainana
203 0
Ajouter un commentaire
Veuillez vous connecter
© Eugene Heriniaina - serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0139